Flash
Préc Suiv

Namafa ny feo niely… : handray ny asany ny Praiminisitra Mahafaly, anio

Namafa ny feo niely…  : handray  ny asany ny Praiminisitra Mahafaly, anio

Mbola mijanona amin’ny toerany fa tsy  voailika. “Efa fanao isan-taona sy mahazatra ahy  isaky ny enim-bolana ny fizaham-pahasalamana aty La Réunion tahaka  izao…  Antony namoahana iny didim-panjakana manendry vonjimaika  ny mpisolo toerana iny izany.  Tahaka  ny efa niseho tamin’ny taon-dasa  tamin’ny nanatrehako ny fivorian’ny Unesco tany Paris”, hoy ny Praiministra Mahafaly,  tamin’ny antso an-telefaonina nataony tao amin’ny  onjampeo iray, omaly. Namaly ireo feo sy resaka miely amin’ny hanesorana azy ankolaka amin’izao nitsaboany tena any ivelany izao ny tenany. Nohamafisiny fa efa fanao  ny famoahana didim-panjakana tahaka izany ary misy hatrany mpisolo vonjimaika satria tsy maintsy ampandehanina ny asam-panjakana. “Aoka isika ho tony.  Handray ny asako aho rahampitso (anio). Tsy tokony hiseho  ny  resabe ary  tsy tokony hiroaroa saina isika. Tsy misy mahazo tombontsoa amin’ny korontana izany”, hoy izy. Nanteriny  fa  tsy misy olana eo aminy sy ny filoham-pirenena hatramin’izao ary mifanaraka  tsara izy ireo.

Synè se R.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique