Flash
Préc Suiv

Lisi-pifidianana : afa-mametraka fitarainana ny mpifidy

Lisi-pifidianana  : afa-mametraka fitarainana ny mpifidy

 Mandalo dingana maromaro. “Hifarana ny alatsinay izao, ny fijerena ireo anarana miverimberina maherin’ny 2 hetsy  anaty lisi-pifidianana vonjimaika. Hatonta izany ny  talata. Haverina  any amin’ ny fokontany indray izany manomboka ny zoma. Manana 20 andro ny vahoaka feno taona hijery  sy hanamarina  ny anarany ao anat’izany lisi-pifidianana izany”, hoy  ny filoha lefitry ny Ceni,  Rakotonarivo Thierry. Ankoatra izany anefa, hametrahana kahie hanaovana fanamarinana na fitarainana na koa fanakianana  eny anivon’ny fokontany.  Afaka manoratra ao ireo rehetra te hitaraina na manana  fanamarihana. “Ohatra, misy tsy tokony hisoratra ao anaty lisi-pifidianana  nefa hita ao.  Ao koa ireo efa nisoratra anarana nefa tsy tafiditra anaty lisitra… Manoratra amin’io kahie io ireo manana fitarainana na famarihana. Mandinika  izany ny komity eny ifotony (CLRE)”, hoy ihany izy. Na izany  aza  anefa, afaka mampiakatra eny anivon’ny fitsarana ilay nitaraina  raha tsy nahafa-po azy ny valin-tenin’ny CLRE. “Anjaran’ny fitsarana  avy eo ny mandidy ny Ceni hanome rariny na tsia ilay fitarainana”, hoy ihany izy.

Notsiahiviny fa haverina any amin’ny Ceni ny lisitra rehefa tapitra ny 20 andro nanamarinana izany teny anivon’ny fokontany. Manamarina sy mamarana izany ny eny Alarobia hatramin’ ny 15 avrily izao.

Synèse R.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique