Flash
Préc Suiv

Indray mijery

 Mbola hitohy ny orambaratra saika manerana ny Nosy, anio, ankoatra ny any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy sy ny any Atsinanana. Mila miomana amin’ny aron’akanjo ny rehetra, indrindra ny mpianatra, satria ny tapany hariva vao hirotsaka ny orana. Mitondra faisana amin’ny rotsak’orana ny lalana eto an-dRenivohitra. Feno lavaka ny arabe ka miteraka fitohanana lavareny miampy ny fanamboarana amin’ny ampahan-dalana. Mimenomenona momba izay fitohanana izay avokoa ny rehetra.

 Ho fanamarihana ny andro iadana amin’ny homamiadana, hisy “hazakazaka firaisankina”, anio miainga eny amin’ny tranom-bokim-pirenena ka hihazo ny HJRA Anosy. Ho fisorohana ny aretina homamiadana, entanina ny rehetra hampiasa vatana sy hitandro ny sakafo ho ara-pahasalamana hatrany. Aorian’ny hazakazaka, hisy ny fitiliana maimaimpoana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza izay mpiseho amin’ny vehivavy ary antony hidiran’izy ireny hotsaboina ao amin’ny sampana mpitsabo homamiadana ao amin’ny HJRA.

Les commentaires sont fermées.