Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo ; Resaky ny mpitsimpona akotry : lavo an-kavia

Sarotra ny fiarenana rehefa lavo an-kavia araky ny fandinihan’ny olona any afovoan’ny nosy any Bongolava any. Eo amin’ny fanaraha-maso ny biby, ny tantsaha amin’ iny faritra andrefan’Antananarivo iny izay maro amin’izy ireo no miompy omby dia mitandrina mba tsy hamela azy ireto hitolefika amin’ny tapany havia sao tsy tafatsangana intsony raha tsy misy manampy hampijoro azy. Dia ho folaka havia ve sanatria ny firenena ? 50 taona mahery izao no niandrasan’ny mponina an’ilay fandrosoana nampanantenain’ny mpitondra nifandimby. Arakaraky ny fandehan’ny andro anefa toa ny mifanipaka amin’izany no tazana. Mikoroso tsy misy fitsaharana any amin’ny fahantrana. Safotry ny fahasahiranana sy ny fihafiana ankehitriny ny mponina. Sady leon’ny fijaliana no lany fanantenana. Ireo nandrasana hanavotra, ny mpikirakira pôlitika izany, eo andaniny lany lainga koa, (ara-bakiteny). Tsy mandaitra intsony ny fampihaingoana vaovao an’ireo fitapitaka. Inona moa fa tsy ny fampanantenana efa tsy namokatra ihany no avadibadik’izy ireo. Tsy resaka mikasika ny olona no itoeran’ny famahana ny olana, fa ny toe-tsaina eo amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena no ilana fanavaozana. Na tsotra aza ny fitenenana izany, mitaky zava-tsarotra eo amin’ny fandinihana. Raha tsy nahomby ny vokatra, izay tsy azo lavina raha ny zava-misy no jerena, ny fahamaimaizana hanolotra zava-baovao dia mbola mety ho famerenana ny kilema niseho amin’ny fandiganana ny ambaratonga voalohany tsy maintsy andalovana. Efa fantatra izao noho ny vokatra fa tsy nety ny natao, ahoana moa no ahafahana mametraka toky maimaim-poana noho ny filazan’ny olona iray fa izy no mpamonjy satria any aminy ny tetika vaovao hitondra any amin’ny sehatra fisondrotana. Ilaina ho fantatra ny lesoka mba ahafahana manototra ny banga sy ialana amin’ny tsy mety. Tsy mitaky fibebahana akory izany na fifonana mikasika ny tsara tsy efa na ny ratsy vita, fa mila fanetren-tena eo amin’ny filazana ampahibemaso mba ahafantaran’ny rehetra ireo fomba tsy haverina intsony sy ny làlana tsy ho diavina intsony. Tonga amin’ilay fitenenana hoe raha te hividy ny lohany, aza matahotra ny masony. Ny tetika mety ho tsara ny fanafody mety handaitra, fa na tsara toy ny inona aza ny tanjona sy ny enti-manana tsy afaka ampiharina raha tsy eo ny fiaraha-mientana, ny fiverenan’ny

Léo Raz

Les commentaires sont fermées.