Flash
Préc Suiv

Fepetra napetraky ny FMI : andrasana ny fampitomboana ny hetra sy ny fampiasam-bola

Nitondran’ny FMI fanazavana ny fomba hitantanana ny vola amin’ity taona 2018 ity, tafiditra ao anatin’ny fepetra fahazoana famatsiam-bola Fec (Facilité élargie de crédit). Fepetra iray amin’izany ny fanavaozana ho fanatsarana ny fampidiran-ketra,  hampitombo ny vola miditra amin’ny fanjakana. Notsindrin’ny FMI manokana ny fahaizana mitantam-bola ho amin’ny fandaniana isan-karazany, mba hampitombo marina ny harinkarem-pirenena.

Misongadina ao anatin’ny tetibola 2018 nolanin’ny Antenimiera roa izay fampitomboana ny vola miditra avy amin’ny hetra izay, mifandray amin’ny fepetra fahazoana Fec avy amin’ny FMI. Andrasana amin’ny fanjakana koa ny ady atao amin’ny famotsiam-bola sy kolikoly, ary fanambaram-pananana avy amin’ny olom-panjakana ambony. Hanaovan’ny FMI tatitra amin’ny Filankevi-pitantanana ao aminy ny momba ireo rehetra ireo ka miankina amin’izay ny hitohizan’ny famatsiam-bola Fec.

Andrasan’ny mpamatsy vola koa ny fampitomboana ny fampiasam-bola ataon’ny fanjakana. Tsy misakana ny tokony hanaovan’ny fanjakana fampiasam-bola ho amin’ny famokarana ny sehatra tsy miankina, hananany orinasa amina sehatra hafa. Tsy tokony hijanona amin’ny Jirama sy Air Madagascar ihany izany ny fanjakana. Tsiahivina fa efa nisy tany aloha karazana orinasam-panjakana maro, saingy ratsy fitantanana nandritra ny Repoblika faharoa, ka niafara tamin’ny fisintahana amin’izy ireny.

Fifanarahana eo amin’ny fanjakana malagasy sy ny Tahirimbola iraisam-pirenena ny Fec, nankatoavin’ny Filankevi-pitantanana, vita sonia ny taona 2016. 304,7 tapitrisa dolara izany vola izany, hatao hanohanana fandaharanasa maro, fohy ezaka sy lavitra ezaka.

R.Mathieu

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique