Flash
Préc Suiv

Fantina sy fintina

Nampihaonin’ny CFM  ny ben’ny Tanàna, Ravalomanana Lalao sy ny Prefen’Antananarivo, ny Jly Ravelonarivo Angelo Christian, ary ny lehiben’ny faritra Analamanga Rakotonanahary Ndranto. Nitarika izany, tetsy Analakely, omaly, ny avy amin’ny CFM,  ny Jly Rabemananjara  Charles sy Razaka Oliva. Niaiky ny rehetra zava-dehibe ny fiaraha-mijery ny tombontsoam-bahoaka, ka tokony ho fitaratra amin’ny fampihavanana hitarika ny rehetra amin’izany ny telo tonta.

Nahatsiaro tena ho voafitaka ny sefom-pokontany   ho an’Antananarivo Atsimondrano , ahitana an’Itaosy, Andranonahoatra, Ambavahaditokana, Tsararay, Fiombonana. Nilazana izy ireo ny alarobia 31 janoary hariva fa hiofanana ka tsy maintsy hatrehina izany ary  hatao eny amin’ny kaominina Fiombonana. Hagagana anefa hay fifampiarahabana nahatratra ny taona ho an’ny HVM Atsimondrano ny niseho. Nanatrika izany ny filohany, Rakotovao Rivo. Teo koa ireo mitonona  ho solontenan’ny sefo fokontany ary nilaza fa tsy hivadika amin’ny HVM.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique