Flash
Préc Suiv

Fahatsiarovana ny 7 febroary 2009 : “aoka hapetraka eto amin’ny firenena ny fitoniana”, hoy ny AV7

Fahatsiarovana ny 7 febroary 2009  :  “aoka hapetraka eto amin’ny firenena ny fitoniana”, hoy ny AV7

Samy nahatsiaro ny  faha-9 taony ny “Raharaha 7 febroary” ireo fikambanana na antoko politika, omaly. Nametraka  fehezam-boninkazo eny an-toerana izy ireo. Tsy nisy  kosa anefa ny lahateny na kabary.

 Tokony hapetraka eto amin’ny firenena ny fitoniana. Ho kihon-dalan’ny tantara ny taona 2018 ka ho ao anaty filaminana ny hiatrehantsika izany, ahazoana fankatoavana iraisam-pirenena sy hirosoan’ny mpitondra ho  lany eo hanatanteraka ny vina”, hoy izy taorian’ny fametrahana fehezam-boninkazo tetsy Ambohitsorohitra, omaly. Nohitsiny  fa  tsy tokony hatao fitaovana na  hampiasaina amin’ny resaka politika ny AV7 sy ny “Raharaha 7 febroary”. Momba ny resaka didim-pitsarana kosa indray,  nambarany fa anjaran’ny manana fahefana momba izany ny manatanteraka ny asany sy ny andraikiny amin’iny raharaha iny.

Tsy tokony atao sorona sy kilalao ny vahoaka

Tsy mifanalavitra amin’izany ny nambaran’ny Mapar, tamin’ny alalan’ny depiote Razanamahasoa Christine. Anisan’ireo  nametraka  fehezam-boninkazo koa izy ireo.

Etsy andaniny, nohitsin’ny depiote Tim, Randrianarisoa Guy Rivo, fa nisy ambadika politika sy filalaovana vahoaka  tao ambadik’iny “Raharaha 7 febroary” iny. “Natao hanaratsiana sy hanenjehana ny hafa… Tsy tokony hatao sorona sy kilalao ny  vahoaka satria nisy aina nafoy teo. Miondrika am-panajana amin’izany izahay. Aoka isika  hahay haka lesona sy hahay hijery ny hahasoa firenena sy  tanindrazana”, hoy izy. Notsiahiviny fa natao kilalao sy sorona, tahaka izany, hatrany ny vahoaka. Teo ny 10 aogositra sy ny 7 febroary, araka ny nambarany.

Fitsarana tsy mitongilana…

Notakiny anefa ny tokony hanaovana fitsarana marina sy tsy mitongilana amin’ny tranga tahaka  ireny ahalalana ny marina sy ny diso  na  koa ireo tompon’andraikitra amin’ny aim-bahoaka natao sorona.

Tsiahivina fa efa nilaza ny fitsarana iny raharaha iny ho tsy mahefa hitsara azy ny filoha  teo aloha, Ravalomanana. Tsy natrehiny koa ny fitsarana ary nitakiany hatrany ny hanaovana fanadihadiana mahaleo tena amin’ireo rehetra tokony ho tafiditra amin’ny “Raharaha 7 febroary”. Nambarany  koa  fa hany rafi-pitsarana  afa-mitsara ny tompon’andraiki-panjakana ambony ny Fitsarana avo (HCJ),  araka ny voasoratra amin’ny lalàmpanorenana. Tsy nipetraka anefa izany hatramin’izao.

Randria

Les commentaires sont fermées.