Flash
Préc Suiv

Ambatolampy : fiara latsaka tanaty rano nahafaty olona roa

Latsaka tao anaty renirano antsoina hoe Antsahafiraisana ny fiara Renault 5 nisongona fiara, nifanena tamin’ny kamiao iray, ka voatery niala ny lalana, tany Andriambilany Ambatolampy RN7 PK 57+920, ny 5 febroary teo tamin’ny 3 ora tolakandro. Maty tao anaty rano ny olona roa tamin’ireo telo tao anaty fiara.  Nifamonjena namoahana azy ireo tao anaty fiara saingy tsy avotra intsony ireo olona roa. Voalaza fa difitra mihitsy ilay fiara io, sady nisy ny dona nahazo tamin’izy io ka niala lalana. Nanampy avokoa ny olona teo amin’ny manodidina. Nidina teny an-toerana ny zandary. Napetraka ao amin’ny tranom-paty CHD Ambatolampy ireo razana. Notanana ao amin’ny borigady Ambatolampy ny mpamily izay velona natao famotorana. Misahana ny famotorana ny zandary Ambatolampy.

Yves S.

 

Les commentaires sont fermées.