Flash
Préc Suiv

Inona1

Mirotsaka be ny ranomandry any Frantsa. Voalaza fa ao anatin’ny dimy taona vao miverina izany raha ho an’ny ao Paris manokana. Hafaliana ho an’ny olona mahita izany, na mety miteraka fanelingelenana ho an’ny fifamoivoizana aza matetika. Manararaotra kosa ny mpitia Sky sy snowboard any an-toerana, milalao amin’ny ranomandry. Ireo handray anjara amin’ny jeux olympiques no efa manao famerenana eran’ny tanàna.

*Aty amintsika aza saika nilatsaka ny ranomandry a!

Inona2

Hafa kely! Nataon’ny ray aman-drenin’ireto kamban-telo hoe Jérusalem, Capitale aty Palestine ny anaran’ireo zanany. Ho famaliana ny tenin’i Donald Trump milaza fa Jerosalema ny renivohitr’Israely, hono no antony nanaovan’ny rainy ny anaran’ireto zaza ireto. Palestinianina mantsy ireo mpivady ka milaza fa saro-piaro amin’ny taniny.

*Raha hoe Antananarivo moa izany ny anaran’ny zanakao?

Nangonin’i Yves S.

Les commentaires sont fermées.