Flash
Préc Suiv

Zandarimaria : misokatra ny fifaninanana andiany faha-74

 Araka ny didim-panjakana laharana faha-2017-698 ny 16 aogositra 2017 sy ny didim-pitondrana faha-2010/2018, ny 25 janoary 2018, misokatra nanomboka ny 28 janoary 2018 ka hatramin’ny 28 marsa 2018 eny amin’ny tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena (Brigade) manerana ny Nosy ny fisoratana anarana amin’ny fifaninanana handraisana mpianatra ho zandary andiany faha-74, taona 2017-2018. Miisa 1 200 ny horaisina hanaraka ny fiofanana ka : 980 mpiadina miaramila sy sivily lehilahy, 120 mpiadina vehivavy ary 100 mpiadina kamboty sy vady navelan’ireo zandary maty nandritra ny fanatanterahana ny asa voabaiko ary ireo miaramila nahavita fanompoam-pirenena teo anivon’ny zandarimariam-pirenena.

Hizara roa ny fanatanterahana izany ka ho an’ireo mahafeno ny fepetra, handray anjara amin’ny fifaninanana dingana voalohany izay hotanterahina ny 28 sy 29 avrily 2018 manomboka amin’ny 7 ora maraina eny anivon’ny renivohitr’ireo Faritra 22 manerana ny Nosy. Ny dingana faharoa kosa, hatao ao amin’ny sekolin’ny zandarimariam-pirenena Ambositra ho an’izay afaka amin’ny dingana voalohany ary hampahafantarina manaraka  ny daty hanatanterahana izany.

Mitaky vatana tomady, araka izany, ary tsy manana olana eo amin’ny lafiny fahasalamana ny fidirana ao anatin’ny fianakaviamben’ny zandarimaria. Mba tsy hiverina intsony ny tamin’ny taon-dasa.

Jean Claude

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique