Flash
Préc Suiv

Totoafo ny fanakianana sy ny tsikera : izao vao mikoropaka amin’ny “kidnapping” ny mpitondra

Totoafo ny fanakianana sy ny tsikera  : izao vao mikoropaka amin’ny “kidnapping”  ny mpitondra

 Manao politikan’ny voa vao mihilana hatrany ary mbola voaporofo ny  tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra. Nisehosehoana tao anaty filankevitry ny governemanta, notarihin’ny Praiminisitra  mpisolo toerana vonjimaika, Ramanantsoa  Marcel Benjamina, teny Mahazoarivo, omaly ny fakana an-keriny teratany vahiny. Mbola nampahatsiahivina tamin’izany ny efa fijoroan’ilay  rafitra manokana hiady amin’ny “kidnapping”,  ahitana zandary sy polisy, miaraka amin’ny eo anivon’ny fitsarana. Izao anefa  ny maro  vao mahalala fa hay misy izany vondrona izany saingy tsy heno sy tsy  hita mihitsy hatramin’ny fotoana nananganana azy. Mba te ho  hita koa ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny ka  nilaza fa hamory haingana ireo teratany indianina  eto an-dRenivohitra ka hijery ny hampahomby ny tetika rehetra hiatrehana ity asan-jiolahy ity. Hadinon’ity fitondrana  ity fa efa maherin’ny 90 izao ireo nisy  naka  an-keriny. Izao vao mikoropaka. Efa nanao ranolava ny  fanehoan-kevitra sy ny  tsikera  ary  koa fanakianana samihafa. Tsy vao androany io fakana an-keriny io  ary  tsy eto an-dRenivohitra ihany. Efa mahazo  vahana any amin’ny faritra. Efa zary lasa fomba fanao,  tahaka ny fitsaram-bahoaka. Tsy hita sy tsy mazava anefa ny tena paikady sy fepetra hentitra raisin’ny fanjakana. Inona ny lesoka na fepetra raisina ? Mialokaloka amin’ny hoe tsy mety miteny ireo niharam-boina…

 Vahaolana petatoko sy kitoatoa…

 Tsy misy hevitra hafa mihitsy na tetika izany fa hiandry izany hatrany isaky ny misy fakana an-keriny. Adidin’ny fitondrana ny mametraka fandriampahalemana sy filaminana. Tahaka izany koa, miaro ny  vahoaka sy ny fananany ny  mpitandro filaminana.  Tsy izany anefa ny zava-misy. Mivaona any amin’ny tsy izy avokoa  ny zava-drehetra. Tonga hatrany amin’ny ahiahy fa mety ho olona ambony na mpitandro filaminana ny ao ambadik’izao fakana an-keriny lava  izao. Ho avy rahateo ny fifidianana ka mety misy ifandraisany amin’izany ? Midika avokoa ireo rehetra ireo fa  tsy manana  ny fahaiza-manao  sy ny fahaiza-mitantana izao fitondrana izao. Miandry sy miaina ny tranga miseho ary tara lava hatrany vao maka fanapahan-kevitra sy ny fepetra mifanandrify amin’izany. Matetika aza anefa, kitoatoa sy petatoko ary vonjy  tavanandro ny vahaolana. Tsy nivonona hitondra sy ny  ho mpitantana rahateo. “Kidnapping” aloha izao ny malaza.  Nihetsika ny fanjakana…Inona  indray ny  rahampitso  ?

Randria 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique