Flash
Préc Suiv

Lozam-pifamoivoizana : Sprinter nivadika tany anaty hantsana

Lozam-pifamoivoizana : Sprinter nivadika tany anaty hantsana

Taksiborosy Sprinter iray no niala lalana, ary latsaka tany anaty hantsana, tany Beapombo, kaominina Andriambilany, omaly maraina. Fiara avy any Fianarantsoa ho aty Antananarivo ity niharan-doza ity. Tsy nisy aloha ny aina nafoy fa maromaro ireo naratra tao anatiny. Nisy ny notsaboina tany an-toerana ireo naratra, ary efa nalefa niakatra aty an-dRenivohitra ny sasany.

Sprinter iray avy any Fianarantsoa ho any Mahajanaga, ihany koa, niharan-doza tany Tsiva Ankazobe, RN4 PK 124+200, ny asabotsy teo, tamin’ny 2 ora maraina. Nandeha mafy izy io ary nivadika tanaty fidinana sy fiolahana, araka ny fanazavan’ny zandary. Olona efatra naratra tamin’izany ka mbola vao 17 taona monja ny iray tamin’ireo. Noentina any amin’ny hopitaly CHD Ankazobe ny naratra rehetra ary misahana ny famotorana ny borigady Ankazobe.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.