Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo ; Resaky ny mpitsimpona akotry : Matanjaka nohon’ny matanjaka

Na tompon-tany na vahiny, na zandry na zoky, dia olo-mamina fianakavina manana ny maha izy avokoa ireo tsy manan-tsiny samborin’andiana jiolahy ho ataon’izy ireto takalom-bola. Marina fa rehefa samy angalatra ronono ihany iza moa no andany andro andeha itery renin’omby mahia ? Any amin’ny mpanana ny vola, anefa sarotra toy izay ny fanatanterahana an’izany asa maloto izany. Efa mailo avokoa ireo manana ahiahy nohon’ny zava-nitranga maro ka naka fepetra ho fiarovana ny tenany sy ny fianakaviny, araky ny efa niseho aza dia fantatra ny fisin’ny mpitandro filaminanavoakarama manokana ho mpiambina sy ho mpiaro raha misy fitrangan’ny loza. Andeferana moa izany na tsy mazava aza ny maha ara-dalàna sy ny maha ara-drariny an’izany raha mbola tsy misy tokontaniny ny fandriampahalemana ho an’ ny valalabe mandry, izay adidy voalohany iantohan’ny pôlisy sy zandary. Na izany aza tsy mahomby firy izany fiarovana izany ! Tsotra fa araky ny toe-draharaha miseho dia matanjaka ilay na ireo tambajotra mirotsaka amin’ity fanendahanaolona an-kerinyity, sahan’izyireonymiantsynyfanjakana sy ny fahefana. Tsy vitavita foana na ny herisetra eo amin’ ny fisontomana an’ilay olona ho atao takalo, fa mbola làlan-tranokala koa ny tetika ho an’ny fitakina sy ny fandraofana ny vola, ary afaka inona fa raha tsy olom-baventy dia tsy mahalevon-kanina an’ireo saosy tsy hay tononon’olo-tsotra nohon’ny maha lavitrisan’ny tapitrisa an’ny tarehimarika voatonona ho takalon’aina. Nisy angamba tambajotra zandriny azon’ny fakampanahy ka nanandrakandrana, ka noraisi-potsiny. Fa ho an’ny ankamaron’ny fangalana olona an-keriny dia fantatra fa sady ao ny ati-doha mpikotrika tsara toerana no ao ny fitsikombakomban’ny mpitahy mahefa.

Rehefa tsara ny vokatra rariny raha tia deraina noho izany ny mpitondra, sedran’izany rehefa tonga ny maimbo eo amin’ ny rivotra iainana tsy afa-bela nyfitondrana amin’ny maha tompon’andraikitra azy fa mantsina arak’izany : na tsy mahavita azy na tsy tia itsabaka nohon’ny antony samy hafa. Ankehitriny mamofona ny rivotra.

Léo Raz

 

Les commentaires sont fermées.