Flash
Préc Suiv

AV7 Ratsimbazafy Jean Paul : « aoka tsy hifandrangitana ny 7 febroary 2009 »

 Mirona ho any amin’ny fitoniana kokoa, sivy taona  aty aoriana . “Fotoana  izao hanetren’ny tsirairay  tena  sy hanehoana  fitiavan-tanindrazana fa tsy any amin’ny fifandimbiasana hifanagadra  intsony. Tsy tokony hifandrafy intsony isika na hifanasa vangy na  koa hifandrangitra amin’ny “Raharaha 7 febroary”. Ampy izay”, hoy  ny filoha lefitry ny AV7, Ratsimbazafy Jean Paul, omaly teny Ivato. Nambarany fa tokony  hametraka ny hambom-pony ny tsirairay ary hijery ny tombontsoan’ny vahoaka mba tsy hifandovana  eto ny fifanagadrana. “Tsy mety aminay ny resaka  nataon’ny filohan’ny AV7, Boana ny hanagadrana na koa fitabatabana fitakiana vola  amin’ny resaka onitra etsy sy eroa… Ankasitrahanay ary tsy  olana ny fifanatonana sy fifampiresahan-dRavalomanana sy  Rajoelina  noho ny firenena iaraha-manana”, hoy ihany izy. Nanolotra soso-kevitra  ity mpikamban’ny Kongresin’ny Tetezamita ity ny amin’ny tokony hametrahana sori-dalana hijerena ny fampandrosoana ny firenena.

Mizarazara  hatrany ny  AV7

Araka izany, mbola mitohy ny fivakisana eo anivon’ny AV7 amin’izao efa hananika  ny  faha-10 taony izao iny raharaha iny. Miara-dia amin’ny fitondrana HVM  Rafaramandimby Boana Jean Pierre (Boana) ary iray lalana amin’ny Mapar  Andriamahefarisoa Etienne.  Samy lohan’ny AV7 ary samy nanao fitaovana ireo niharam-boina nitadiavana tombontsoa  izy ireo. Eo anelanelany kosa  ny filoha lefitra Ratsimbazafy Jean Paul, tony fihetsika. Na  izany aza, samy hahatsiaro iny raharaha iny avokoa izy  ireo ny alarobia ho avy izao.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.