Flash
Préc Suiv

Tselatra

Manana andraikitra amin’ny fanaraha-maso ny fivezivezen’ny teratany Malagasy mankany ivelany sy ny fivezivezen’ny teratany vahiny eto Madagasikara, araka ny nambaran’ny lehiben’ny sampandraharaha misahana ny fivoahana sy ny fidirana eto Madagasikara, i Samy Harison Olivier. Momba ny fivezivezen’ny teratany malagasy mankany ivelany dia pasipaoro no antontan-taratasy voalohany takina amin’izany. Nanomboka ny taona 2013, somary nanahirana ny fivezivezena satria maro ireo zanaka malagasy mila ravinahitra any ivelany ary fantatsika fa misedra olana izy ireny any momba ny vono ataon’ny mpampiasa azy. Ny sasany kosa tahaka ny tranga tany Chine, izany hoe nomena toky ireo ankizy hoe hiasa, kanjo noterena hanambady Sinoa kilemaina na efa antitra nony tonga any an-toerana, araka ny fanazavany hatrany. Ao anatin’ny politikan’ny polisim-pirenena ny miady amin’izany fanaovana trafikana olona izany. Noho izany, notakina ny taratasy fanamarinana ny anton-dia any amin’ilay firenena izay hivahiniana. Natao izao mba hiarovana ny zanatsika, hoy izy. Betsaka koa ireo firenena efa hita fa tena tsy azo andehanana intsony tahaka an’i Liban, Koweit, Arabie Saodita, Chine ary Kaomoro satria voarara ny fivezivezen’ny olona tsy ara-dalàna.

J.C

Les commentaires sont fermées.