Flash
Préc Suiv

Fakana an-keriny teratany karana : voasambotry ny polisy i Colbert mpanao kidnapping

Fakana an-keriny teratany karana : voasambotry ny polisy i Colbert mpanao kidnapping

  Voasambotry ny polisy misahana ny heloka bevava (BC) teny Antaninarenina, ny alatsinainy teo ny jiolahy raindahiny amin’ny fakana an-keriny, antsoina hoe Randrianarivelo Colbert na i Andry Colbert. Tompon’antoka tamin’ny fakana an-keriny Karana teto an-drenivohitra izy…

 Tohin’ny fihazonana an-keriny karana iray tao amin’ny villa iray eny Ambohidratrimo, tamin’ny taon-dasa ity raharaha nahasamborana an’i Colbert ity ka voatery niditra an-tsehatra tamin’ny famoahana io karana io ny polisin’ny BC tamin’izay. Nanao fikarohana hatrany ny polisy, ka tratra teny Antaninarenina, ny alatsinainy teo ity jiolahy raindahiny amin’ny fakana an-keriny ity. Miisa efatra ny raharaha itondrana azy eo anivon’ny fitsarana. Araka ny fanazavan’ny, lehiben’ny sampandraharaha misahana ny heloka bevava, ny kaomisera Rakotondrasoa Jean de Matha, miara-misalahy amin’ny fanaovana fanadihadiana ity jiolahy ity ny polisy sy ny zandary. Jiolahy efa nanaovana didy fikarohana ity, ary tratra ihany taorian’ny fikarohan’ny polisy. Nambarany fa anisan’ny paikadin’ny polisim-pirenena ny ady amin’ny asan-jiolahy amin’ny endriny rehetra na an-tanàn-dehibe izany indrindra ny momba ny fakana an-keriny sy ny fanafihana mitam-piadiana. Isan’ny tompon’antoka tamin’ny fakana an-keriny teratany karana maromaro teto an-drenivohitra i Colbert.

Natolotra ny fampanoavana, omaly, izy taorian’ny famotorana nataon’ny polisy.

Nitondra fanazavana koa ny polisy momba ilay jiolahy antsoina hoe Herman voatifitra teny Ankadimbahoaka, ny 17 janoary 2018 teo. Raha ny antontan-taratasy nanenjehana azy eo anivon’ny polisin’ny BC dia ampy ilazàna fa anisan’ny jiolahy efa notadiavina hatry ny ela sy niray tsikombakomba tamin’ny rahalahiny izy, nitsoaka ny fonjan’i Tsiafahy, ny alin’ny 7 hifoha 8 oktobra 2017 lasa teo. Nandritra ny roa andro no nanao fanarahan-dia ity jiolahy ity ny polisy, araka ny fanazavan’ny polisy. Rahalahin-dRandriamparany David Rolland na Ibontsina (gadra nitsoaka an’i Tsiafahy) i Herman.

J.C

Les commentaires sont fermées.