Flash
Préc Suiv

Vaovao tambatra

Nanolotra ny fanampiany ho an’ny traboina tratry ny rivodoza Ava ny Cnaps, omaly. Fanampiana nahitana vary 55 gony, bodofotsy 550, savony 500 baoritra, natolotra ny BNGRC, rafitra hitantana ny fitsinjarana amin’ny traboina. Hatao laharam-pahamehana ny  toerana tena maro traboina, toy ny eto Antananarivo Renivohitra, Toamasina I sy II, Vatovavy Fitovinany ary Alaotra Mangoro. Nambaran’ny talen’ny fitantanana ao amin’ny Cnaps, Rakotomila, fa “tsy vitan’ny Cnaps ny hitzam-potsiny ireo traboina, rava trano sy fananana, ka naniraka ny fianakaviamben’ny Tahirim-pirenena ny tale jeneraly, Arizaka Rabekoto Raoul, hitondra fanampiana.

“Tsy mbola mahenika ny Malagasy manontolo ny fahazoana ny teknolojian’ny niomerika”, hoy ny vondron’ny mpandraharaha Goticom. Na fahatelo aty Afrika azai Madagasikara amin’ny fampiasana ny internet, mbola ny sokajin’olona nahita fianarana sy fahalalana ihany no afaka mampiasa azy eto amintsika. Ilaina, araka izany, ny fanabeazana ny Malagasy, ahafahany misitraka ny fandrosoan’ny teknolojia.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique