Flash
Préc Suiv

Tselatra

Maty nananton-tena tao Tsararano Ambony Mahajanga, afakomaly ny lehilahy iray voalaza fa tsy salama saina. Ny fatiny efa nihantona tamin’ny tady teo ambony hazo no hitan’ny fokonolona tao an-toerana. Mpantsaka rano ny asan’ity lehilahy ity ary efa indroa nanandrana namono tena izy, saingy avotra kosa izy tamin’ny voalohany raha namoy ny ainy kosa tamin’ny afakomaly. Tonga teny an-toerana naka ny razana ny BMH.

Niharan’ny fitsaram-bahoaka ny jiolahy iray tratran’ny olona nanendaka teny amin’ny lalamby Ankadimbahoaka, omaly maraina. Lehilahy iray niandry taxi-be no nendahiny teo am-piandrasana taxi-be. Tsikaritry ny olona teny an-toerana ny fihetsiny ka raikitra ny daroka sy ny vono. Naratra mafy izy ary nentina eny amin’ny biraon’ny zandary.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique