Flash
Préc Suiv

Nampiasa «ordre de mission» hosoka… Tratra ilay : «assistant parlementaire» mpanondrana sokatra an-tsokosoko

Nampiasa «ordre de mission» hosoka…  Tratra ilay : «assistant parlementaire»  mpanondrana sokatra an-tsokosoko

 Tra-tehaky ny polisy miasa eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, afakomaly, ny mpanolotsaina manokana solombavambahoaka (assistant parlementaire) iray avy any amin’ny faritr’i Toliara, saika hanondrana sokatra an-tsokosoko miisa 126 any Vietnam. 

Fara-faharatsiny, telo no heloka azo hanenjehana ity lehilahy iray, voalaza fa mpanolotsaina manokana solombavambahoaka iray avy any Toliara ity ; Fanamparam-pahefana, hosoka sy fanaovana hosoka, fanondranana an-tsokosoko harem-pirenena. Tra-tehaky ny polisy miasa eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ity lehilahy ity, afakomaly, raha nikasa hanondrana an-tsokosoko sokatra miisa 126.

Nambaran’ny polisy fa  nampiasa « Passeport de service » izy io ary mbola nitondra taratasy « ordre de mission » hosoka ihany koa izay misy ny sonian’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena mba ahafahany mivoaka an-kalalahana ny sisintany. Izany hoe nafangaron’ity lehilahy ity ny fahefana ananany sy ny fanaovana hosoka mba hahafahany manondrana an-tsokosoko sokatra. Feno ny fepetra, heloka telo sosona be izao no hanenjehana ity mpanolotsaina solom-bavambahoaka ity.

“Tsikaritry ny Police de l’air et des frontiers (Paf) anefa ny fihetsika hafahafa nataon’ity lehilahy ity ka niroso avy hatrany tamin’ny fisavana azy sy ny entany ireo izahay”, hoy ny fanazavana. Nahatrarana « valizy lehibe roa izay nisy sokatra miisa 126 nofonosana « couches lehibe » tany aminy. “Fiaramanidina Kenia Airways no saika andehanan’ity lehilahy ity, ary saika ho any Vietnam raha ny voarakitra tao anatin’ilay « ordre de mission » hosoka izay nampesainy”, hoy ny polisy. Nilaza izy fa hamonjy fivoriana no andehanany any Vietnam. “Mitohy ny fikarohana ary inoana fa tsy hijanona hatreo ity raharaha ity, efa miroso amin’ny fanadihadiana lalina ny polisin’ny Paf”, raha ny fanamafisana.

Ny herinandro teo tany Morondava

Vao ny herinandro teo nahatrarana sokatra marobe saika hoentina amin’ny sambo tany Morondava. Manodidina ny 200 teo ireo sokatra nafatratra tao anaty gony maromaro. Nisy ny efa maty, ka nivoaka fofona maimbo ka io ny nitarika ny fahatrarana azy. Voalaza fa nafenina ary saika tsy haseho ireto sokatra ireto kanefa rehefa nisisika ny mpanao gazety vao nipoitra izany. Saika hoentina any Mahajanga ireo sokatra ireo, izao tratra izao.

Raha izao toe-javatra izao, ny manam-pahefana eto amintsika ihany no manampatra fahefana ka manao ny fanondranana an-tsokosoko ireo harem-pirenena. Rehefa tsy sokatra, mety ho volamena hatramin’ny andramena. Mazava fa miray petsapetsa amin’ny asa ratsy eto ny mpitondra sy izay manam-pahefana. Tsy mahagaga raha tsy mahatoky azy ireo intsony ny vahoaka, ka tonga hatrany amin’ny fitsaram-bahoaka ny raharaha.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.