Flash
Préc Suiv

Mahajanga : dahalo miisa 31 indray maty, basy 18 azon’ny miaramila

Mahajanga : dahalo miisa 31 indray maty, basy 18 azon’ny miaramila

 Nanao tatitra manokana momba ny asan-dahalo sy ny vokatra azon’izy ireo nandritra iny taona 2017 iny ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny toby miaramila RM 4 Mahajanga, tamin’ity herinandro ity. Nanamafy ny manamboninahitra eo anivon’ny RM 4 fa nisy ny zava-bitan’izy ireo ka isan’ny nisongadina tamin’izany ny nahasamborana dahalo miisa 50 ka lavon’ny balan’ny miaramila nandritra ny fifandonana ny 31 amin’ireo. Omby miisa 1 607 very ka tafaverina tamin’ny tompony ny 1 122 amin’ireo. Basy miisa 18 kosa no azo teny am-pelatanan’ny dahalo nandritra ny fisavana. Dimy amin’ireo basy vita gasy raha basim-borona sy PA kosa ny ambiny.

Fantatra ihany koa fa isan’ireo faritra mena nahitana asan-dahalo sy halatr’omby matetika nandritra iny taona 2017 iny ny tao Betsiboka sy Melaky. Miraviravy tanana ny mponina any an-toerana manolona izany ka nisy ny fangatahana manokana miaraka hanao Das any amin’ireo kaominina ambanivohitra amin’iny faritra iny. Nilaza kosa anefa ny manamboninahitra tompon’andraikitra iray fa tsy maharaka ny fangatahana ny isan’ny miaramila afaka halefa mamita irany amin’ireny faritra ambanivohitra lavitra ireny.

J.C

Les commentaires sont fermées.