Flash
Préc Suiv

Jovena Ambohimanambola : toby herinaratra termika lehibe indrindra

Jovena Ambohimanambola : toby herinaratra termika lehibe indrindra

 Miditra amin’ny famokarana herinaratra koa ny Jovena, mpaninjara solika. Ankoatra ny eny Ambohimanambola, manana tanjaka 76 Mw, hisy toby avy amin’ny tohodrano koa haorina any Ivolobe Toamasina, hanana tanjaka 110 Mw.

Notokanana, omaly, ny toby mamokatara herinaratra termika, mandeha amin’ny solika eny Ambohimanambola. Avy amin’ny antso-tolobidy iraisam-pirenena ny nahafahan’ny orinasa Jovena nanangana ity orinasa ity, ao anatin’ny Vondrona Axian avy amin’ny fitaovana mamokatra herinaratra tatsy La Réunion, ny taona 2015.

Mamokatra herinaratra 76 Mw ity toby ahitana fitaovana turbine roa ity, nomen’ny orinasa anarana Noor 1 midika hoe fahazavana (48Mw), sy Noor 2 (28 Mw). Nambaran’ny PDG-n’ny Axian, Hassanein Hiridjee, fa “tanjona ny hananan’ny Malagasy angovo ampy hitondra fampandrosoana ho an’i Madagasikara”.

Hanampy ireo toby hafa mandeha amin’ny fuel, fa tsy gazoala intsony, ity eny Ambohimanambola ity, hanamora ny vidin’ny herinaratra vokarina. Anisan’izany ny an’ny Symbion (amerikanina) eny Mandroseza, manana tanjaka 40 Mw, ny an’ny tiorka Aksaf (66 Mw).

Hamatsy an’i Toamasina ny any Ivolobe

Ankoatra izany, nilaza ny mpitantana ny Axian, fa hanangana toby iray mandeha amin’ny tohodrano any Ivolobe Toamasina, hamokatra herinaratra 110 Mw, hamatsy an’i Toamasina sy ny manodidina, ho vita amin’ny taona 2022. Misy koa ny famokarana herinaratra azo amin’ny herin’ny masoandro, toy ny eto Antananarivo.

Tanteraka izao asa izao, vokatry ny fiaraha-miombon’antoka fanjakana sy ny tsy miankina. Nanamafy ny minisitry ny Rano, ny angovo ary ny vokatra ara-tsolika, Rasoloniaina Lantoniaina, fa misokatra amin’ny mpampiasa vola ny firenena. Nitarika ny fitokanana ny filoha Rajaonarimampianina.

Njaka Andriantefiarinesy

Les commentaires sont fermées.