Flash
Préc Suiv

Fitantanana ny CUA : hojerena manokana ny fidiram-bola amin’ny WC sy ny tsena

Fitantanana ny  CUA : hojerena manokana ny fidiram-bola amin’ny WC sy ny tsena

Lany  teo amin’ny  fivorian’ny filankevitra monisipalin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra  ny tetibola iasana ho an’ny  taona 2018.  Nasiana fanamarihana ka voaresaka fa  mila jerena manokana ny fidiram-bolan’ny  CUA amin’ny toeram-pivoahan’ny daholobe na ny “WC Public” sy ny eny amin’ny tsena. Momba ny tetikasa eo anivon’ny tsipy kanetibe kosa, nahemotra amin’ny fotoana manaraka ny fanapahan-kevitra.  Nekena nandritra ny fivoriana ny hanofan’ny orinasa Satom ny tanin’ny CUA eny Mahavelona  Ankazobe.  Manana velarana 832 m2 izany ka mampiditra vola 1 tapitrisa Ar isam-bolana amin’ny CUA.

Hisahana ny fiarovana ny faritra manodidina, 45 ha, koa io orinasa io.  Manaraka izany, nomen’ny filankevitry  ny Tanànan’Antananarivo alalana ny fanangonan-ketra miditra amin’ny CUA  amin’ny alalan’ny finday na ilay antsoina hoe “Mobile Banking”. Tsy maintsy hajaina kosa anefa ny lalàna momba izany. “Hahazoana tombontsoa ity fomba iray ity satria afaka hialana amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny kolikoly”, hoy ireo  mpanolotsaina. Nekena ny hampiasana ny toerana eny  amin’ny fasam-bahiny Anjanahary  ho an’ ireo olona miisa 18 nanao fangatahana ary nahazo baiko ny mpanatanteraka  ny hitakiana ny  vola tokony mbola hiditra teo taloha sy ny vaovao.  Momba ny drafitra fampandrosoana antsipiriany ny tanàna  “Plan d’Urbanisme de Détail”  mahakasika ny tany eny Andraharo, tapaka fa mbola mandalo ao amin’ny kaomisiona manokana izany.

Synèse R.  

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique