Flash
Préc Suiv

Dr Raveloson Jean-Aimé « Tsy miteraka demokrasia ho azy ny fifidianana »

Dr Raveloson Jean-Aimé    « Tsy miteraka demokrasia ho azy ny fifidianana »

Aiza ho aiza ny demokrasia eto Madagasikara amin’izao? Nambaran’ny mpandrindra ny tetikasa eo anivon’ny Friedrich Ebert Stiftung (FES), Raveloson Jean-Aimé A. fa tsy miteraka demokrasia ho azy ny fifidianana.

« Fifidianana irery, tsy miteraka fampandrosoana. Ny fifidianana, tsy miteraka demokrasia ho azy amin’izao. Misy fifidianana heverina ho demokratika, nefa tsy demokratika. Tsy demokratika akory ny tany rehetra izay manao fifidianana. »

Izay ny fanehoan-kevitry ny mpandrindra ny tetikasa eo anivon’ny Friedrich Ebert Stiftung (FES), Raveloson Jean-Aimé A., momba ny demokrasia sy fiatrehana fifidianana amin’ity taona ity.

« Raha ny fijerin’ny FES azy: eo an-tokonam-baravaran’ny demokrasia isika », hoy izy.

Tokony himasoana ny fanamafisana orina ny rafitra rehetra eto amintsika. Ny rafi-pitondrana izany, ny rafi-piarahamonina, ny rafitra amin’ny orinasa, ny rafitra amin’ny fampianarana… Manao fanavaozana amin’izany aloha; avy eo, hamafisina orina ny rafitra nohavaozina. Na havaozina koa ny politika.

Tsy ovaina isaky ny miova mpitondra ny politika

Tsy hoe vao miova ny mpitondra na ny fitondrana rahampitso, ohatra, hiova koa ny politika voizina ao anatin’ireny sehatra ireny. Amin’izany, tsy ny filohan’ny Repoblika akory aza no miova, fa mety hoe praiminisitra fotsiny no miova, na minisitra, na tale jeneraly. Izay ilay hoe tsy marin-toerana ny rafitra, araka ny fanazavany.

Rehefa marin-toerana ny rafitra, mazava ny andraikitry ny tsirairay avy, mazava ny votoatin-javatra voizina ao anatin’ireny rafitra ireny. Marin-toerana haingana kokoa ny demokrasia eto amintsika amin’izany. Satria mihena ny kolikoly, mihena ny fisian’ny olona tsimatimanota, mihena ny tany tsy tan-dalàna sy ny zavatra rehetra mbola manakana antsika hiarahantsika mizotra mankao amin’ny sahan’ny demokrasia.

R. Nd.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique