Flash
Préc Suiv

Fampiharana ny didim-pitsarana : nihemotra amin’ny hisamborana an-dRavalo ny fitondrana

Fampiharana ny didim-pitsarana : nihemotra amin’ny hisamborana an-dRavalo ny fitondrana

 Nihemotra tamin’ny fotoana  farany ? Efa nananontanona tany ny didy fampisamborana ny filoha teo  aloha, Ravalomanana, ho  tohin’ny resaka didim-pitsarana,  nambaran ‘ny minisitry ny Fitsarana, ny  talata teo. Tokony ho nanao fanoherana ny didim-pitsarana ny filoha teo aloha manoloana ny didy nivoaka, manameloka azy  higadra mandra-pahafaty noho ny “Raharaha 7 febroary”. Nomena fe-potoana ny  tenany hanaovana izany tao anatin’ny 72 ora ka mety efa dila izany ary izao  niketrehana  ny hisamborana azy izao.  Voalaza fa efa tonga teny  amin’ny trano fonenan’ny filoha teo aloha, eny Faravohitra ny vadintany nampahafantatra ny didy momba ny saziny tamin’ity herinandro ity saingy  tsy teo Ravalomanana.  Ho tonga amin’izao fikasana fisamborana izao  izany  ny  raharaha.

Nialoha ireo  anefa,  efa nikaondoha ireo mpisolovava rehetra manodidina ny mpanorina ny Tim. Tsy fantatra ny  fanapahan-kevitr’izy  ireo. Nitohy tamin’ny fahatongavan-dRatsirahonana Norbert Lala  teny amin’ny filoha  teo aloha, teny Faravohitra  izany, mbola  tamin’ity herinandro ity  ihany, saingy  tsy nisy nipika  ny dinika  na naharitra aza.

Lasa  any Kenya sy ho any Paris Ravalomanana 

Etsy andaniny, lasa nihazo ny any Kenya hihaona amin’ny filoha Uhuru Kenyatta Ravalomanana, omaly tolakandro.  Laharana faharoa tamin’ilay fifaninana « ALM Person of the year 2017″, aorian’ny mpanorina ny Tim,  ny filoha kenyanina. Hihazo an’i  Paris  avy eo  ny tenany hihaona amin’ireo Tim  any Eoropa amin’izao taona  vaovao izao. Mety hatao sambo-dokotra eny Ivato izany izy rehefa tafaverina rehefa tsy namoahana ny fepetra  tsy fahazoana mivoaka any ivelany (IST) ?

Hatreto aloha izany, mifamahofaho be  ny raharaha amin’izao nikasan’ny mpitondra hisamborana an-dRavalomanana izao ka hampidirana am-ponja azy. Didim-pitsarana  ny taona  2010 ny antony, niainga amin’ilay  valandresaka nataon’ny minisitry ny Fitsarana.

Etsy andaniny, sahirana ny fitondrana manoloana ny mpanorina ny Tim, amin’izao  mialoha ny fifidianana  izao. Tsy mahagaga raha mikasa  hisambotra  azy ireo mahery fihetsika ao ambony  ao ary miketrika  ny hampanginana azy mihitsy. Misy kosa  anefa  ireo tony fihetsika ka manahy ny amin’ny hoavy  raha samborina tokoa Ravalo. Tsy ho  moramora izany.  Hiteraka  olana sy korontana ary krizy eto amin’ny firenena ny fanagadrana an-dRavalo. Mpitandro filaminana iza  sy avy aiza no hisambotra eo ? Adihevitra nandeha tany ambony tany sy teo amin’ny samy mpitandro filaminana avokoa  izany.

Tsindry avy amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena

Ankoatra  izany, mety teo  koa ny tsindry avy amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, indrindra ny Amerikanina sy ny  Frantsay, tsy mankasitraka izany. Vao mainka ho  ratsy endrika eto amin’ny firenena sy ny  vahoaka mpiandany amin-dRavalo ary amin’ireo firenen-dehibe ity fitondrana HVM ity. Hijanona  ho resabe fotsiny ny fampihavanam-pirenena sy ny fidradradrana fitoniana politika  ?

Tsiahivina fa efa nisambotra sy  nanagadra ny filoha teo  aloha ny fitondrana HVM raha vao tafaverina teto  an-tanindrazana, ny  13 oktobra 2014, izy.

Randria

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique