Flash
Préc Suiv

Tselatra

 Hitan’ny fokonolona, ny alatsinainy teo ny vatana mangatsiaka ilay mpanamory lakana hazo rendrika tao amin’ny renirano Ankadimbazaha Maroantsetra. Nifanena tamin’ny lakamby mandeha motera ity lakana hazo ity, ny alahady teo ka tsy nahatohitra ny onjan’ilay lakamby ka nivadika avy hatrany. Lasa kosa ilay lakana motera fa tsy nijanona.

Zazakely efatra indray namoy ny ainy raha roa hafa kosa naratra. Io ny vokatry ny firodanan’ny trano biriky iray misy rihana tao amin’ny fokontany Ankazomena, kaominina ambanivohitra Antakasina Ambatolampy, ny alatsinainy teo. Nirondana vokatry ny andro ratsy ity trano ity ka izao namoizana ain’olona izao. Nidina nanao fanadihadiana teny an-toerana ny zandary.

Les commentaires sont fermées.