Flash
Préc Suiv

Indray mijery

Miditra mianatra an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra manomboka anio, raha ny filazan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Miankina amin’ny zava-misy eny anivon’ny sekoly kosa ny fandaminana, hoy ny filazana. Efa manomboka midina ny rano ho an’ny faritra maro ka afaka mamonjy sekoly amin’izany ny mpianatra. Mbola misy anefa ireo sekoly mandray traboina.

Tany Mahanoro no nisy rotsak’orana be indrindra anatin’ny 24 ora, tamin’ ny 4 janoary teo. Nahatratra 206.7 mm ny ranon’orana, izany hoe 206.7 litatra-m2. Nirotsaka tanatin’ny iray andro monja ny 84,5%-n’ny orana tokony hirotsaka mandritra ny volana janoary manontolo tao amin’io toerana io.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique