Flash
Préc Suiv

Fantina sy fintina

Hovorian’ny Ceni eny Androhibe, anio, ireo sefo fokontany eto Antananarivo Renivohitra. Natokana amin’ny fanomanana ny lisitry ny mpifidy, ny fandraisana anjaran’ny antoko politika sy ny fiarahamonim-pirenena ao anatin’ny komitim-patitra ho an’ny fanisana mpifidy (CLRE) ary hijerena ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy (RALE 2017-2018) izao atrikasa izao.  Tsiahivina fa mbola malaindaina ny  mpifidy hanoratra ny anarany amin’ny lisi-pifidianana amin’izao fotoana izao  raha  ny nambaran’ny Ceni.

 Nantsikafon’ny Antoko politika madio (APM) ny tsy  fahaiza-mitantan’ny mpitantana eto an-dRenivohitra.  “Tsy  misy mangarahara, mikorontana ny tsena sy ny fitaterana…”, hoy ny filohany, Rakotoarisoa Faniry Alban na i Ganstabab,  omaly, tetsy Antaninarenina. Nambarany fa fanapahan-kevitra voalanjalanja sy am-pitoniana ary am-pisainana  ny mety hirotsahany  ho kandidà ben’ny Tanàna eto Antananarivo. “Miankina amin’ny endriky fifidianana eo ny hilatsahana na  tsia”, hoy  izy. Mitaky fifidianana madio  tsy isian’ ny hala-bato ny tenany.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique