Flash
Préc Suiv

Tselatra

Nandroba omby tany Ambalasoa, kaominina Isaka, distrika Ambohimahasoa, ny dahalo miisa 30 eo nirongo basy tsy fantara isa ny 31 desambra tamin’ny 10 ora alina. Raha vao naheno io trangana halatr’omby io ny zandary avy ao amin’ny borigady Isaka, nidina teny an-toerana avy hatrany ka raikitra ny fifampitifirana. Tafaverina daholo ny omby ary dahalo telo naratra, saingy nentin’ireo namany nitsoaka. Tsy nisy ny naratra, tsy nisy ny aina nafoy tamin’ny mpitandro ny filaminana sy ny fokonolona.

Nanafika tsena iray any Soavimbahoaka, kaominina Tanambao, Antsirabe II, ny jiolahy miisa efatra nitondra zava-maranitra ny 31 desambra teo tamin’ny 1 ora maraina. Nanohitra sy niantso vonjy ilay voatafika ka nodarohan’ireo olon-dratsy. Naratra teo amin’ny lohany ilay tompon-tsena. Jiolahy iray kosa tratra ny fokonolona ka novonoin’izy ireo. Nitsoaka ny telo lahy namany. Nalefa notsaboina ilay naratra,  ary efa natolotra ny fianakaviany ilay dahalo maty.

 

Les commentaires sont fermées.