Flash
Préc Suiv

Tselatra

Nanafika sy naka an-keriny vehivavy  23 taona sy ny zanany lahikely ny jiolahy miisa 10 nitondra basim-borona sy zava-maranitra, tany Bezezika, Malaimbandy, distrika Mahabo, ny 28 desambra teo tamin’ny 9 ora alina. Nanao ny fanarahan-dia sy ny fikarohana avy hatrany ny zandary avy ao amin’ny borigady Malaimbandy sy ny fokonlona rehefa nandre ny vaovao.

Ny 30 desambra tokony ho tamin’ny 7 ora sy 15 minitra hariva, niantso ireo zandary mpanao fikarohana ireo ny delege ao Malaimbandy mba hiverin-dalana fa efa votsotra izy mianaka ireo. Nangataka vola 4.000.000 Ar ireo jiolahy raha ny re, saingy 1.400.000 Ar ihany no azony rehefa nanao ady varotra ireo havany. Salama tsara izy mianaka ireo. Manohy ny fikaroham-baovao hatrany kosa ny zandary hanenjehana ireo jiolahy ireo eo anatrehan’ny lalàna na efa tafaverina aza ireo nalaina an-keriny ireo.

Les commentaires sont fermées.