Flash
Préc Suiv

Mba tsy avy ny orana… : notsenaina tamin-kafaliana ny taona vaovao 2018

Mba tsy avy ny orana… : notsenaina tamin-kafaliana ny taona vaovao 2018

Sambany, tato anatin’ny taona vitsivitsy izay, tsy nisy ny orana tamin’ny alin’ny 31 desambra hifoha 1 janoary. Fifaliana ho an’ireo nisafidy ny hivoaka ny trano, hamonjy fety aman-danonana, izany. Tsy vitsy tokoa izy ireny, niparitaka tany amin’ny manodidina ny renivohitra ary maro azo nisafidianana tsara. Tetsy ankilan’izay, betsaka ireo nijanona tany an-trano, niara-nifety tamin’ny fianakaviana. Raha mitaha amin’ny teo aloha, somary nihavitsy kokoa ireo nirona tamin’izany. Ankoatra ireo,  nahasarika mpino kristianina maro ny alim-bavaka, nenti-nitsena ny taona 2018. Araho an-tsary ireo rehetra ireo.

 

Niavaka ihany koa ny famaranana ny taona 2017 sy fitsenana ny taona vaovao, tety amin’ny Yandy By-Pass. Nanafana ny fotoana ny tarika ‘Zay.  

Anisan’ireo niara-niombom-bavaka ho fitsenana ny taona vaovao 2018 ny tety amin’ny fiangonana MRE.

Nametraka eo am-pelatanan’Andriamanitra ny taom-baovao ihany koa ireo mpino ao amin’ny fiangonan’ny Finoana, ny alin’ny alahady teo.

Tsy manahirana loatra kanefa manamafy ny fifankatiavana ny fiarahan’ny mpianakavy, rehefa « réveillon ».

Nanolotra alina miavaka amin’ny rehetra ny Trano Bongo, tamin’iny « réveillon » iny. Nafana ny fiarahana tamin’i Elsie.

Hatreto aloha, tsy afa-misaraka amin’ny fety, indrindra amin’ny « réveillon », ny zava-pisotro mahamamo. Nitobaka hatrany izany, tamin’ity indray mitoraka ity.

Nifanotofan’ny ankizy ny fialamboly, tetsy Analakely omaly. Indrisy, nosembanin’ny orana izany, ny tolakandro.

Les commentaires sont fermées.