Flash
Préc Suiv

Saika niharan’ny fitsarambahoaka : namoaka basy nandrahonana ny olona ilay karana

 Raikitra indray ny fifanjevoana teny Behoririka, omaly antoandro. Teratany karana iray no saika niharan’ny hatezeram-bahoaka noho ny fihetsika tsy mendrika nataony. Nandona mpitondra moto tamin’ny fiara 4×4 vitre fumé ilay teratany karana. Araka ny fanazavan’ireo mpivarotra nahita ny fitrangan’ny loza, notrongisin’ilay Karana avy any aoriana ilay mpitondra moto ka naratra mafy. Tsy nisy resaka fa nivoaka avy ao anaty fiara ilay Karana nahavanon-doza ka nidaroka ilay tovolahy niharam-boina. Tezitra noho izany ny olona teo amin’ny manodidina ny toerana nitrangan’ny loza ka nirohotra saika hisambotra ity Karana nanao fihetsika mahamenatra ity. Namoaka basy nampitahotra ireo olona nikasa hisambotra azy anefa ilay Karana ka tsy sahy nikitika azy ireo olona marobe efa nentin-katezerana. Niditra tao anaty fiarany ilay Karana ka lasa nirifitra nitsoaka. Na teo aza ny hatezeran’ny olona, tsy afa-nanao na inona na inona izy ireo. Hany herin’ireo olona, nitoraka ny fiaran’ilay Karana tamin’ny baoritra. Tonga teny an-toerana nanao fanadihadiana kosa ny polisy, fotoana fohy taorian’izay.

J.C

 

Les commentaires sont fermées.