Flash
Préc Suiv

RN 7 : navesatra ny entana, taksiborosy iray nivadika

RN 7 : navesatra ny entana, taksiborosy iray nivadika

Nitrangana lozam-piarakodia naharatrana olona indray teny amin’ny RN 7, omaly antoandro. Taksiborosy iray avy aty an-drenivohitra hihazo an’i Fianarantsoa no nivadika tampoka, kilaometatra vitsy miala an’i Vohiposa. Araka ny fanazavana voaray, tsy fantatra mazava izay antony nahatonga ny loza, tao ireo nilaza fa vokatry ny havesaran’ny entana nentiny no nitarika ny loza satria nivilavila be ny fandehan’ny fiara noho ny havesatry ny entana. Tao koa ireo nilaza fa tratran’ny torimaso ilay mpamily ka tsy nahafehy ny lalana intsony. Niala teo amin’ilay fiara mihitsy ny fitoeran’entana niaraka tamin’ny entan’ny mpandeha. Mpandeha ampolony naratra.

Fa nivadika koa ny taksiborosy iray mampitohy an’i Fianarantsoa sy Vangaindrano tamin’ny RN 25, afakomaly alina. Mpandeha roa naratra mafy ka nalefa haingana namonjy hopitaly. Tsy nisy ny aina nafoy.

J.C

Les commentaires sont fermées.