Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo : Resaky ny mpitsimpona akotry

Tsy fahampian’ny vokatra

Lasa ihany ny saina rehefa donainan’ny hafanana ao anaty fiara ka mikatso ny fifamoivoizana amin’iny mitataovovonana mandoro iny ny masoandro. Fantatra fa tery ny làlana eto Antananarivo, tsy ampy koa ny arabe misampantsampana mizarazara ny fizoran’ny fifamoivoizana. Ambonin’izany tsy azo amaivanina ny fitomboan’isan’ny fiara. Io no misarika fanontaniana. Inona marina moa ny vokatra eto an-toerana ho takalon’ny vidin’ireto karazan-javatra afarana avy any ivelany lafovidy ?  An’isan’izany ny fiara na vao na tonta na madinika na vaventy. Tsy misy misitery ny momba izany. Izay zavatra afarana rehetra dia mitaky takalony, vesatra eo amin’ny toe-karena. Nisy moa manam-pahaizana momba ny toe-karena izay namosa-kevitra somary valavala ihany izay tsy azo ampiharina noho izany, nefa kosa mitarika fandinihana. Ny rariny, araky ny famoaboasany izany hevitra izany, dia  tokony tsy afaka hanjifa entana avy any ivelany raha tsy manao famokarana mahatratra ny sandan’ilay entana vidiana. Mbola resaka mandany jiro ny fitadiavana fomba entina mampihatra izany ka aleo ajanona eo. Nefa kosa manitikitika ihany ny voalaza amin’izany mikasika ny andraikitra noho ny fanjifana entana avy any ivelany. Ny fanjakana moa dia mety ho sodoka ihany, tratran’ny tampi-maso ateraky ny haba izay tangosany isak’izay entana miditra. Ny maharariny an’izany, tsy ampy hampitovy lanja ny vidin’ny entana miditra sy ny vidin’ny vokatra ahondrana. Raha latsa-danja ny vidin’ny vokatra ahondrana dia mampitombo ny fahantrana angamba izany, satria ny banga noho ny elanelany, tsy maintsy efaina. Ny kely efa tsy ampy eto an-toerana indray no tsy maintsy animbinana. Izay no mahatonga hilaza fa ny fahantrana no manefa.

Misy ny mpanana sy ny sahirana. Lahatra tsy hita ho toherina izany. Nefa kosa na eo aza izany, tsy ampy anamaivana ny adidin’ny fanjakana izay tsy mahazo mikely soroka eo amin’ny fitsinjovana tsy misy fitsaharana ny rariny. Ny mpanana noho ny fahafaha-mividy eo am-pelatanany no misitraka be kokoa ireo entana afarana avy any ivelany. Ny rehetra efa mandoa haba isaky ny mividy ireny entana ireny. Na izany aza, noho ity fanampiana trotraka ny fahantrana vokatry ny fihoaran-danjan’ireo entana afarana, dia angamba rariny raha manontany hoe, vazo mitovy ihany ve dia hiampita rano ? Izany hoe, raha mety ho vita eto an-toerana ihany, inona no tsy ampirisihana ny fanaovana azy, toy izay ny zava-bita any ivelany indray no omena tombony, araky ny tazana amin’izao fotoana izao ?

Léo Raz

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique