Flash
Préc Suiv

Tselatra

Natolotra ny fampanoavana ao Ambositra, omaly, ireo olona voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny famonoana an’i Tsiory, ilay tovovavy niharan’ny vonoan’olona feno habibiana tao amin’ny hotely niasany ao Ambositra, ny 24 novambra 2017 lasa teo.  Voarohirohy amin’ity vonoan’olona ity ny sakaizany sy ny mpiambina tao amin’ilay hotely. Mpianatra ao amin’ny sampam-pampianarana sosialojia eny Ankatso ity tovovavy niharam-boina ity. Voalaza fa nisy ny resaka nifanaovan’izy roa hita tao anatin’ny telefaonina findainy mialoha ny fahafatesany.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique