Flash
Préc Suiv

Fantina sy fintina

Ho  vahin’ny fandaharana “Ambarao” ao amin’ny onjampeo Alliance 92 FM,  anio ny filoha lefitry ny Ceni, Rakotonarivo Thierry. Anisan’ny hitondrany  fanazavana ny fanomanana ny fifidianana.  Eo koa ny  fanombohan’ny fisoratana anarana amin’ny lisi-pifidianana. Ny momba ny lalàm-pifidianana. Arahintsika amin’ny 12 ora sy fahefany ny amin’ny fiteny malagasy ary amin’ny 1 ora sy fahefany  kosa ny amin’ny fiteny frantsay.

 Hifarana anio  ny fitsidihan’ny filoha Rajaonarimampianina any Japon.  Niompana amin’ny fiaraha-miasa ara-toekaren’ny firenena roa tonta ny fivahinianana any an-toerana. Teo  ny fanatrehan’ny filoha  sy ny delegasiona ny fihaonambe toekarena. « Madagascar Japan Business Forum ».  Horaisin’ny amperora japoney  Akihito ny tenany anio.

Anjaran’ny loholona indray ny mandray ireo mpikamban’ny governemanta. Hatao rahampitso etsy Anosikely ny fifanatrehana eo amin’ny roa tonta. Anisan’ny hitondran’ireo loholona fanontaniana ny fiakaran’ny vidim-piainana. Ohatra ny vary  sy ny solika. Eo  koa ny tsy filaminana sy tsy fandriampahalemana… Sambany handray izany fifanatrehana izany ny filoha vaovaon’ny Antenimierandoholona,  Rakotovao Rivo.

 Hitondra ny anjara birikiny koa ny Amerikanina. Hanohana antsika amin’ny fanomanana ny fifidianana i Etazonia.  Hatao ny zoma izao  eny amin’ny foiben’ny Ceni, Alarobia ny fifanaovan-tsonia amin’ny vola harotsak’izy ireo eo anivon’ny tahiry ho an’ny fifidianana (basket fund), amin’ny tetikasa Sacem. Tsiahivina fa tsy te hahalala afa-tsy fifidianana filoham-pirenena  sy solombavambahoaka izy ireo, miaraka amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Hanomboka,  ny 8  janoary ny fandraisana ny taratasin’ireo mpanao gazety, tokony hahazo ny karatra maha matihanina eo amin’ity asa ity. Hifarana ny 5 febroary  ny fandraisana izany antontan-taratasy izany. Hivoaka  ny 12 marsa kosa  ny lisitr’ireo tokony hahazo ny karatra. Na  izany aza, mbola afaka mametraka fitarainana ireo mety  tsy mbola  voasoratra ao anaty lisitra amin’reo fotoana ireo.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique