Flash
Préc Suiv

Korontana ambony, korontana ambany…

Korontana ambony, korontana ambany…

Tany misy fanjakana ve i Madagasikara? Gaboraraka tanteraka… Tsy lazaina intsony ny ao anaty fanjakana hatramin’izay, raha mbola azo lazaina ho fanjakana. Tsy tan-dalàna hatrany am-boalohany tsinona. Teo, ohatra, ny tsy fanajana ny And. 54 amin’ny lalàmpanorenana amin’ny fomba fanolorana praiminisitra; ny And. 72 ny amin’ny tsy fahazoan’ny depiote miova vondrona politika, ankoatra izay nahavoafidy azy.

Tsy mahagaga raha tsy misy fitoniana sy fahamarinan-toerana politika: korontana ambony ambany lava. Satria lasa takalon’aina amin’izay atao hatrany am-boalohany: takalom-patsa, vidim-pihinanana… tsy mahafa-bela? Tsy hita izay fisaraham-pahefana fa mifangaro voraka be ihany, gaboraraka tanteraka… hatrany ifotony. Izany no mahatonga ny fitsaram-bahoaka etsy sy eroa. Tsy misy vahaolana hatramin’izao…

Tsy fantatra intsony hoe: iza no manao inona? Faramparany teo, ohatra, nampiaka-peo ny mpitandro filaminana sy ny mpitatitra fa nomen’ny fitsarana fahafahana vonjimaika ireo hoe atidohan’ny mpitora-bato ny fiara amin’ny lalam-pirenena RN 2. Voatery nanazava ny raharaha ny fitsarana: tsy to teny? Nanao hetsi-pitokonana ny mpitatitra, niditra ny filohan’ny Antenimierandoholona. Avy eo, nilamina ny raharaha (?).

Ohatra iray hafa koa: nisy andian’olona nanafika ny Sinoa manao fitrandrahana harena an-kibon’ny tany any Mananjary. Nisy mpitandro filaminana voasaringotra tamin’izany. Haka ny anjara harena an-kibon’ny tanin’ny Malagasy, hono. Inona moa izany: asan-jiolahy tsotra ihany? Na fitsaram-bahoaka, hatezeram-bahoaka, alahelom-bahoaka… Miseholany ny tsy fifampitokisana, lonilony, ahina ho fikomiana aza.

Ohatra ihany ireo, ampahany vitsy.. Tena mikorontana ny raharaham-pirenena sy ny fiainam- bahoaka. Mbola misy fanjakana? Samy manao izay saim-pantany izao, na ny mpitondra na ny vahoaka. Zava-doza. Izay matanjaka no manjaka, izay mahalala olona, izay tsy manara-dalàna, izay… Izay ny hoe tany sy fanjakana tan-dalàna sy fitondrana tsara tantana? Na mbola ekena sy hotohizana ihany… Alao hery àry!

Rafaly Nd.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique