Flash
Préc Suiv

Mitady fitoniana, hono…

Mitady fitoniana, hono…

   Iza no mahita sy resy lahatra fa mandeha ary mbola handeha izao raharaham-pirenena izao? Ireo eo amin’ny fitondrana sy izay olom-bitsy miray petsapetsa aminy ihany. Efa samy nampiaka-peo ny amin’ny tsy fetezan-draharaha maro eto amin’ny firenena, ohatra, ny parlemantera eoropeanina, ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara, ny FFKM, ny Seces… Tsy tanisaina intsony ny firaisamonina sivily, ny antoko politika, ny fikambanana, ny olom-pirenena…

Tsy vitan’izany, miara-dalana amin’izay tsy fahombiazan’ny fitondrana izay ny ahiahy amin’ny mety hisian’ny korontana amin’ny fifidianana. Nahoana? Mila marina sy malina ny rehetra, fa efa misy ny mikofokofoka mafy amin’izay handrobana fandresena amin’ny fomba rehetra amin’izany. Mba mahalala tsy tiana, tsy mahomby, tsy atokisana… ? Izay no mampikoropaka amin’ny fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana, ny ankifonofono amin’ny lalàm-pifidianana…

Manginy fotsiny ny paipaika sy kajikajy politika tsy nanaovana ny fifidianana eny anivon’ny faritra sy faritany, ohatra, fa mbola tendrena sy azo baikoina izay hitantana izany. Teo koa  nanovana ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny volavolan-dalàna saika hananganana fitsarana manokana momba ny heloka amin’ny vola sy ny hetra ary ny toekarena hanilihana izay kandidà atahorana, ny fikasana hanitsy ny lalàmpanorenana amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka…

Izany, hono, no mitady fitoniana hisian’ny fifidianana marina, mangarahara, azo antoka, eken’ny rehetra. Nefa ny ataon’ny tena aza tsy mampitony, tsy mangarahara, tsy azo antoka, tsy eken’ny rehetra. Vao mainka izany fa amin’ny fifidianana? Ho hita eo… Mandra-pitrangan’izay hitranga, mila mailo ny tena, miteny, mihetsika… Efa misy izany aza, ny ataony ihany no ataony, vao mainka fa tsy misy inona: fanararaotana, fiheveran-tena ho lehibe tsy meloka.

Tsy misy mihevitra sy resy lahatra amin’izao raharaha izao ho mandeha na mbola handeha tsinona, afa-tsy izay mahita tombontsoa manokana amin’izao ihany. Ny voky mody hendry ka mangirika izay hitoniana tsy misy manelingelina?

Rafaly Nd.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique