Flash
Préc Suiv

Karatry ny mpanao gazety : manahy disadisa ny CJD

Karatry ny mpanao gazety : manahy disadisa ny CJD

Aleo misoroka. Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Fikambanan’ny mpanao gazety zokiolona (CJD)  ary naneho ny ahiahiny manoloana ny fanapahan-kevitry ny minisitry ny Fifandraisana (MCRI)  amin’ny  fanomezana  karatra ho  an’ny mpanao gazety. Notsiahivin’izy ireo fa anisan’ny mandrafitra ny  vaomiera misahana ny  fizarana izany,  araka  ny lalàna sy ny fitsipika mifehy ny serasera ny solontenan’ny minisitra sy ny avy amin’ny mpanao  gazety ary koa ny tompon-gazety. “  Araka  izany, manendry ny solontenany eo anivon’io vaomiera io miainga amin’ny fihaonambeny ny mpanao gazety fa tsy olona tendren’ny minisitra. Tokony hanendry ny solontenany  tahaka  izany koa ny tompon-gazety”, hoy izy ireo. Nanterin’ny CJD fa efa voafaritry ny lalàna ny tokony ho andraikitry ny minisitera amin’ny fananganana io   vaomiera io. Manendry ny solontenany ary mamoaka ny didim-pitondrana momba izany. Nohitsin’ny CJD fa natao izao  fanambarana izao hisorohana ny mety hisehoan’ny disadisa sy ny fizarazarana mety miharihary eo amin’ny firaisan’asan’ny mpanao gazety.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.