Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo Resaky ny mpitsimpona akotry : Fitombon’ny fahasahian’ny mpanao ratsy

Toy ny tsy misy vidiny intsony ny ain’olombelona ho an’ny mpanao ratsy. Na jiolahy na tontakely na dahalo no fiantso azy ireny, samy faikany tsy matahotra an’Andriamanitra avokoa. Gasy moa ve ny mponina ka toy ny sanatria voahozona dia tsy maintsy hiaritra fotsiny izay midona aminy, andaniny anefa mitombo vaika isan’andro ny hetraketrak’ireo mpisompatra. Miteny ho azy angamba ny tranga heno sy tazana ka tsy eto no handany andro hifampiatsaravelatsihy amin’ny fampiadiana resaka momba ny fitondrana mahavita azy na tsia na mikasika ny fahalemen’ny fanjakana izay tsy mahefa ny adidiny eo amin’ny fiarovana ny olona sy ny fananany. Nazava ny fanambaran’ny jeneraly Minisitry ny Fiarovana, tsy misy tompom-pahefana hiaro ny asan-jiolahy notanterahin’ireo miaramila sy polisy voarohirohy tamin’ny fanafihana nihatra tamin’ireo mpitrandraka volamena tany Mananjary. Tsy ny fiampangana ireo Sinoa mpitrandraka ho mpandripaka harena voajanahary no resaka, na ny fironan’ny sasantsasany amin’ireo hery noheverina ho mpiaro any ankadin’ny asa ratsy no atao lohalaharana, fa ny fahasahian’ireo jiolahy manangana ady ankitsirano izao. Tsy hoe mamo miantso pôlisy intsony fa meloka miantsy fanjakana. Aiza ve dia any ambadiky Morombe any dia olona folo no baboiny, giazany atao takalo amin’ny vola sy omby izay takiny. Tsy miady varotra ry zalahy fa izy no mametra ny vidin’ny aina any ampelatanany. Eo amin’ny fifanamboarana dia izy indray no mibaiko araky ny sitrapony amin’ny alàlan’ny hafatra ampitainy any amin’ireo solontenan’ny fanjakana. Latsaka ambany toy izany ve ny fanjakana ? Lasa voatery manaiky ny fifanamboarana ifanaovan’ny mponina amin’ny jiolahy? Fomba fiteny fotsiny ny filazana hoe fifanamboarana. Ny tena marina dia ny fivadihan’ny rasa ka ny mpanao ratsy indray no manao didy jadona. Aoka kely anefa, izany akory tsy midika fa zavatra tsara ny fampiasana jadona na koa natokana ho an’ny olon-mendrika izy io. Ota ny jadona, heloka ny fanaovana azy. Meloka indroa miantaona izany ireo jiolahy izay manginy fotsiny ny asa ratsy notanterahany fa dia mampiseho fahasahiana mametraka ny didiny koa. Mahagaga ihany no ahazakan’ny mpanjakazaka izany fanjakazakana izany.

Léo Raz

Les commentaires sont fermées.