Flash
Préc Suiv

Famahana ny olan’ny rugby : miantso fitoniana i Zoky Fidy Bemasoandro

Famahana ny olan’ny rugby  : miantso fitoniana i Zoky Fidy Bemasoandro

Tsy mbola miravona. Miantso fampihavanana eo amin’ny tontolon’ny baolina lavalava  i Zoky Fidy. Anisan’ireo mpitantana nandritry ny 23 taona teo anivon’ny fileovana Bemasoandro  ny  tenany ary tsy afaka ny hangina manoloana izao olana lalovan’ny rugby eto amintsika izao.« Tsy hisy tombony ny disadisa eo amin’ny fitondrana sy fitantanana  ka tokony hifanatona, hifandresy lahatra ireo mpitondra ho mariky ny fitiavana ny lavalava », hoy izy, omaly. Anisan’ireo tena malahelo ity mpitantana teny Itaosy ity.  Tsy nitaza-potsiny anefa ny  tenany. « Aleo haverina ny fifaninanana Top 14 nahazatra, hialana amin’ny tsy fitovian-kevitra ka hampiakarina ireo tokony hiakatra ary hampidinina ireo latsaka. Amiko tsy mety ny nametrahana ny Top 9 fa aleo kokoa aza ny Top 16 ka handraisana ny laharana fahatelo sy fahefatra tamin’ny fifaninanana “inter-section” ho ao anatiny”, hoy ihany izy. Nanteriny fa tanjona ny hampivondronana indray ny tontolon’ny baolina lavalava.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.