Flash
Préc Suiv

Fantina sy fintina

Miely ny feo eny Tsimbazaza fa misy miketrika hanongana ny birao maharitra. Anisan’ny tsy levon’ny depiote sasany ny tombony azon’ireo naman’izy  ireo, toy  ny fivoahana any  ivelany sy ny vola  30 tapitrisa Ar ho azy  ireny.  Eo koa ny fahabangan’ny seza matetika  ao an-dapa amin’ny fivoriana  nefa tsy maka andraikitra momba  izany ny birao maharitra. Tsy mampandeha ny raharaha eny anivon’ny Antenimiera  izany ka nahatonga ireto andiana  depiote  ireto mihevitra ny hanilika ireo birao  maharitra.

Niara-niombom-bavaka teny amin’ny FJKM Anatirova, omaly, ireo delegasion’ny parlemantera alemà, mitsidika sy mandalo eto amintsika. Tafiditra amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta izany. Efa niara-nivavaka tahaka izao rahateo ny filoha Rajaonarimampianina,  niatrika  izany teny an-toerana sy ireto  parlemantera vahiny ireto, fony ny filoha nitsidika tany Alemaina.

Homena andraikitra amin’ny fifidianana ny tanora. Vita sonia, omaly, teny Alarobia ny fiaraha-miasan’ny Ceni sy  ny minisiteran’ny Tanora ho  fanentanana sy  fanabeazana momba ny fifidianana hampandraisana anjara ny tanora eo amin’ny zotram-pifidianana.  Anisan’ny anton’izany ny tatitry ny OIF maneho fa vitsy  ireo tanora mpifidy latsaky  ny 35 taona voasoratra anarana anaty lisi-pifidianana.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique