Flash
Préc Suiv

Fampianarana : notokanana ny CEG Tsimbazaza…

Fampianarana : notokanana ny CEG Tsimbazaza…

Nitombo roa indray ireo sekoly nisitraka fotodrafitrasa vaovao ho an’ity taom-pianarana 2017-2018 ity.  Omaly,  notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny EPP Soanierana I sy ny CEG Tsimbazaza. Ahitana mpianatra miisa 1680 ny CEG Tsimbazaza izay ahitana mpampianatra 70.

Nisy ny fanarenana ny efitrano fikarohana, ny fananatsarana ireo birao eo anivon’ny sekoly, ary ny efitrano natokana hikirakirana ny teknolojia. Nisy koa ireo fanomezana natolotra ho an’ny mpianatra hanampy azy ireo amin’ny fikarohana ataony manoloana ny fanatontoloana
Nohavaozina tanteraka kosa ny EPP Soanierana I izay niorina tamin’ny taona 1945.

Nanamarika ny mpianatra teny anivon’ireto sekoly ireto ny fananan’izy ireo tabilio natokana ho an’ny mpianatra tsirairay ary indrindra ny fahazoany ny tsirairay ny « Kits scolaires » hiatrehana ity taom-pianarana ity.

Tatiana A

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique