Flash
Préc Suiv

Tsipy kanetibe – «Doublette boss» : lasan’i Mamy sy i Tiana ny fiara Deawoo Matiz 3

Tsipy kanetibe – «Doublette boss» : lasan’i Mamy sy i Tiana ny fiara Deawoo Matiz 3

Norombahin’i Mamy sy i Tiana, mpilalaon’ny 67 Ha, ny fiara Daewoo Matiz 3, loka goavana tamin’ny “Doublette boss”, taranja tsipy kanetibe. Fifaninanana notanterahina tetsy amin’ny kianja CBT Mahamasina, ny asabotsy sy ny alahady lasa teo. Resin’izy mirahalahy, teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa 13 no ho 10, i Trema sy i Tafita avy amin’ny CBT. Azon’ireto farany kosa ny moto scooter Jog Pro. Tsiahivina fa ny ekipan-dRadoko no lavon’i Trema, teo amin’ny manasa-dalana ary klioban’ny 67 Ha no resin-dry Mamy. Marihina fa nahatratra  36 ireo ekipa nandray anjara, tamin’ity fihaonana ity. Tsara ny fikarakarana ary nirindra araka ny tokony ho izy, ny fizotran’ny lalao rehetra. Maniry ny mbola hisian’ny fifaninanana sy loka goavana toa izao, ireo rehetra nandray anjara. Nanome toky rahateo ny mpikarakara fa tsy maintsy mbola hisy ny andiany faharoa.

Torcelin

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique