Flash
Préc Suiv

Tselatra

 Nifandona tamin’ny fiara 4×4 iray Renault Duster nifanena taminy, teny Antetezana Vontovorona ny bisikileta iray avy any Alakamisy Fenoarivo ho any Vontovorona, ny asabotsy teo tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany maraina. Maty tsy tra-drano ilay olona nitondra bisikileta, 48 taona. Nomena ny fianakaviany ny razana rehefa vita ny fitsirihana teny an-toerana nataon’ny zandary. Zandary Vontovorona no manao ny famotorana ary notazomina ilay mpamily nanaovana famotorana.

Nanafika ny tananan’ny Bevatsy any amin’ny distrikan’i Beroroha ny jiolahy efatra nitondra basim-borona ka raikitra ny fifandonana tamin’ny fokonolona, ny faran’ny herinandro teo. Fokonolona iray maty, niampy jiolahy iray ihany koa. Voalaza fa voatifitry ny fokonolona izy io. Tonga tany an-toerana ny zandary nanao ny fanadihadiana.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique