Flash
Préc Suiv

Me Razafinjatovo Willy : « Tsy misy intsony vahoaka matoky ny mpitondra »

Me Razafinjatovo Willy : « Tsy misy intsony vahoaka matoky ny mpitondra »

 Mbola resabe ny amin’ny fisiana sy fandairan’ny tsaho amin’ny vahoaka.  Tsy misy intsony vahoaka matoky ny mpitondra, raha ny fijerin’ny Me Razafinjatovo Willy.  

 

« Manafintohina ny fihainoana ny resaka hoe tokony hifampatoky. Tokony ho fantatry ny mpitondra amin’izao fotoana izao: tsy misy matoky anareo intsony ny vahoaka. Be loatra ny lainga sy ny fampanantenana natao, tsy misy tanteraka. »

Izay ny fanehoan-kevitry ny Me Razafinjatovo Willy, ny amin’ny tsy fahitokisan’ny vahoaka intsony ny mpitondra fanjakana. Tsy inona fa noho ny savorovoro teto Antananarivo sy ny manodidina, ny 9 novambra lasa teo, tamin’ny tsaho hoe misy andian’olona miaraka amin’ny mpitandro filaminana manao vaksinina pesta any an-tsekoly.

Ny zava-misy aloha, araka ny fanazavany, matahotra sady romotra be ny vahoaka tamin’iny trangan-javatra iny. Manangoly ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena amin’izany zavatra izany hoe tokony hifampatoky ny mpitondra fanjakana sy ny vahoaka, ny ray aman-drenin’ny mpianatra sy ny sekoly na ny mpampianatra…

Tsy tanteraka ny fampanantenan’ny mpitondra

 Amin’ny fampahatokisana nomen’ny Praiminisitra, ohatra: telo volana no nomena, dia hoe hilamina ny tany sy ny fanjakana eto Madagasikara. « Hatramin’izao, moa ve misy olona afa-mitsangana amin’ny saina tsy miangatra, maso tena mihiratra sy fisainana madio hiteny fa hoe tena milamina tokoa ny firenena amin’izao fotoana izao? » hoy ny Me Razafinjatovo Willy.

Tsy isan’andro ve amin’ny haino aman-jery ny hoe faty olona, fanafihana atsy sy aroa… ? Izany ve no atao hoe milamina? Amin’izany, mbola lazaina ny hoe tokony hatoky ny mpitondra fanjakana ny vahoaka. « Aza mifamitaka fa tapitra efa tsy misy intsony ny zavatra atao ifampitokisana », hoy izy. Porofon’izany ny fitsaram-bahoaka, satria anisan’ny tsy atokisan’ny vahoaka ny mpitondra amin’izao fotoana izao izany.

R. Nd.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique