Flash
Préc Suiv

Fantina sy fintina

Any Alemaina ny ben’ny Tanàna, Ravalomanana Lalao,  mivady. Miatrika  ny fihaonana an-tampony momba ny fiarovana ny tontolo iainana, Cop 23 ary anisan’ireo nanokatra izany ny mpitantana ny  tanànan’Antananarivo Renivohitra. Tsiahivina fa efa fanindroany izao   ny fivahiniany any amin’ity firenen-dehibe  sy matanjaka indrindra any Eoropa ity.

Hahemotra amin’ny 11 desambra ny fitsarana ny “Raharaha 7 febroary 2009. Tokony ho notanterahina, omaly,  izany, saingy  tsy raikitra  noho ny nambara fa fahaverezan’ny  antontan-taratasy ao amin’ny tribonaly Anosy, ny faran’ny herinandro teo. Tokony ho  niatrika  izany Ralitera Andrianandriana sy  ireo namany.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique