Flash
Préc Suiv

Resaky ny mpitsimpona akotry Sorisory miantomboka mifehy ny fitohizan-dalao

Miaka-peo ny mpanohitra manoloana ny kopo-soroka ataon’ny andaniny mikasika ny volavolan-dalàna mametra ny fitsipi-dalao hifehezana ny fifidianana. Ny fisehon’ny amboletra ho fandaniana ho làlana an’ilay volavola dia efa miteraka ahiahy amin’ny fisian’ny tetika maizina ambadik’izany fomba izany. Tsy vitan’ny hoe mailomailo fotsiny ireo mpanohitra fa efa nahatsikarika sy nanasongadina andiany ao amin’ilay volavola izay mitory fanomanana makarakara hanamorana ny fanaovana sangodim-panina ho fampitongilanana ny fifaninanana sy fikirakirana maizina hanatsofohana hosoka entina handisoana ny vokatra.

Hery tsy mifandanja anefa, toy ny atody miady amim-bato ny vitsy mifanehatra amin’ny maroanisa ! Akory atao ? Tsy fantatra intsony ny fomba hanoherana ny fanaovana ho lalàna ny fifehezana tazana mivandravandra fa fanomezana bahana ny hetraketraka diso tsy rariny. Hitodika any amin’ny vahoaka ? Fantatra fa tsy mahefa izany ny mponina izay efa trotraka be ihany noho ny fahasahiranana ampianjadiana aminy, no sady efa leon’ny fitapitaka ka tsy te hiherika amin’ izay rehetra manopy lokona adilahy pôlitika. Hiantso vonjy any amin’ny fikambanambe iraisam-pirenena ? Dia inona loatra aza ny ozona mihatra maniraka hitaraina amin’ny any ivelany mahatonga hilefitra sy hibaboka mikasika ny tsy fahaizan’ny tena mandamina ny raharahan-tokantrano nefa miseho ho saro-piaro raha vao kitikitihana ny fahaleovantena sy fahefam-pirenena. Izay anefa ny hany sisa fomba ahafahan’ny mpanohitra manakana ilay volavolan-dalàna izay afinafenina be ihany. Laingalainga fa io fikambanambe io dia manana fahefana ankolaka handrava ny fizotra mivilambilana. Tsotra ny fipetraky ny raharaha, toy ny eo amin’ny zavatra rehetra  ny vola no hozatra antoka voalohany eo amin’ny fanatanterahana ny fikasana. Ny fikambanambe iraisam-pirenena no mpamatsy ny vola ilaina anaovana ny fifidianana ho avy. Raha noho ny antony samihafa mitarika azy hihevitra fa tsy mahafa-po azy ny fomba omanina anaovana izany dia tsotra, giazany ny vola. Iza anefa no tena mahafantatra ny tena tetiky ny fikambanambe any ambadika any? Maro amin’ ny mpikambana ao anatiny no manana ho azy manokana na olona na vondrona safidiany mangina. Mety omeny fanampiana tsiambaratelo aza eo amin’ireo mpilatsaka ho fidian’ny vahoaka. Rehefa mitolona eo amin’ny sehatra pôlitika, mila fitandremana ny firaisan-tetika amin’ny vahiny. Isak’izay mihetsika ny solontenam-pirenena iray dia ny fitsinjovana tombony ho an’ny firenena fihaviany no lanjalanjainy voalohany.

Léo Raz

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique