Flash
Préc Suiv

Fiaraha-miasa amin’ny Pnud : tsy handoavam-bola ny fanamboarana kara-panondro

Fiaraha-miasa amin’ny Pnud  : tsy handoavam-bola ny fanamboarana kara-panondro

Tantsoroka. Tsy  handoavana sarany ny fanamboarana ny sora-piankohonana sy ny kara-panondro amin’ny fotoana hanaovana ny fitsarana mitety vohitra.

 

Notanterahina, omaly, tetsy amin’ny minisiteran’ny Atitany ny fanoloran’ny Pnud, tamin’ny alalan’i Violette Kakyomya ireo fitaovana sy  kojakoja maro samihafa, toy ny informatika hanamboarana izany. Hanampy tosika amin’ny fampidirana ny mpifidy anaty  lisi-pifidianana  koa  ireto fitaovana ireto. Anisan’ny miteraka olana eto amintsika  hatrany rahateo izany. Hanampy ny firenena hiatrehana ny fifidianana koa  ireto fitaovana  ireto  satria zary lasa very zo amin’ny maha olom-pirenena  azy  ny ankamaroan’ny olona  sasany noho ny  tsy fananany sora-piankohonana na koa kara-panondro.  Eo  koa  ny fahasahiranan’ny olona ka  nahatonga izao  fanampiana  sy fanohanan’ny Pnud izao. Maherin’ny 900  000 ireo  hahazo tombony amin’izao fahazoana  fitaovana izao.

Eo hatrany ny Pnud

Hozaraina amin’ireo distrika 119 ireto fitaovana ireto.  Na  izany aza, ho hentitra ny fitondrana ary handray fepetra amin’ireo  mety manararaotra maka vola  na sarany rehefa manao ny fitsarana  mitety vohitra.

Tsiahivina fa anisan’ny mitondra ny fanohanana hatrany antsika eo amin’ny sehatra rehetra  ny eo anivon’ny Pnud.

Synèse R.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique