Flash
Préc Suiv

Famatsiam-bolan’ny Bad : nifantohana manokana ny angovo

Famatsiam-bolan’ny Bad : nifantohana manokana ny angovo

 Nandritra ny fihaonan’ny filoha lefitry ny Banky afrikanina momba ny fampandrosoana (Bad) eto an-toerana, Amadou Hott, sy ny minisitry ny Fitantanam-bola, Andriambololona Vonintsalama, niarahan’izy ireo nodinihina ny famatsiam-bola ho an’ny angovo. Tompon’antoka amin’ny fitantanana ny famatsiam-bola rehetra avy amin’ny Bad eto Madagasikara rahateo ramatoa minisitra.

Sehatry ny angovo miantoka ny fampandrosoana ny toekarena sy sosialy, namaritan’ny Bad laharam-pahamehana dimy : manome herinaratra sy manazava an’i Afrika – mamatsy an’i Afrika – mampiditra an’i Afrika – mampandroso ny indostria aty Afrika – manatsara ny fari-piainan’ny vahoaka afrikanina. Niaraka tamin’ny filoha lefitra io ny mpiandraikitra ny fandraharahana ao amin’ny Bad, i Nyaki Zangbula Kaningbi, sy ny mpanolotsaina momba ny angovo, ny Dr Daniel Schroth.

R.Mathieu

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique