Flash
Préc Suiv

Famantarana manokana : “Mba hovana gidro fa tsy omby intsony …”

Famantarana manokana   : “Mba hovana gidro fa tsy omby intsony …”

 Teny amin’ny oniversite Ankatso, omaly, nankalazaina ny dihin’ny varika eran-tany (festival mondial des lémuriens) andiany fahefatra. Lohahevitra ny hoe « Varika harem-pirenena, namana mendrika arovana ». Nanomboka ny taona 2014, mitarika io fotoana io ny Groupe d’étude et de recherche sur les primates de Madagascar (Gerp). Manana andraikitra lehibe miara-miasa amin’ny Gerp ny minisitera dimy : Fampianarana ambony sy fikarohana siantifika ; Tontolo iainana sy ny ala ;  Fanabeazam-pirenena ; Fizahantany ; Kolontsaina sy fiarovana ny vakoka. Manampy ny Gerp koa ny Valan-javaboahary Tsimbazaza sy ny Unesco. Nambaran’ny filohan’ny oniversite Antananarivo, Ramanoelina Panja, fa manana ny toerany ny fampianarana ambony eo amin’ny fikarohana sy fiarovana ny varika hiteraka harena marina hampiakatra ny toekarem-pirenena.

Nohamafisin’ny filohan’ny Gerp, Ratsimbazafy Jonah, ny lanjan’ny varika na ny gidro amin’ny maha harem-pirenena azy izay. Atahorana anefa ny loza mitatao amin’izy ireo ho lany tamingana raha mitohy ny fandripahana azy ireny amin’ny fanapotehana ny ala sy ny fihinanana azy. “Mampiavaka an’i Madagasikara tanteraka anefa ireo biby ireo, izay eto amintsika ny razambeny efa hatramin’ny 50 tapitrisa taona. Mangataka izahay amin’ny alalan’ny Unesco any anivon’ny Firenena mikambana hampisy Andro iraisam-pirenena ho an’ny varika. Ary eto amintsika, mba hovana ho gidro fa tsy omby intsony ny famantarana manokana an’ireo  sampandraharaha maro”, hoy Ratsimbazafy Jonah.

Mampanahy ny hoavin’izy ireo

Misy karazany 112 ireo biby ireo eto Madagasikara izay mampanahy ny hoavin’izy ireo noho ny tsy fitandremantsika azy ireo na mbola betsaka ihany koa ny tsy mahafantatra ny lanjany. Matoa ireo minisitera dimy ireo manana anjara andraikitra lehibe amin’ny fiarovana azy ireny, voaporofo araka ny fikarohana ny maha harena azy : manajary ny zavaboahary manodidina azy, mampidi-bola eo amin’ny fizahantany, manampy eo amin’ny kolontsaina sy ny tantara. Roa ny hafatra lehibe tiana hampitaina : hiaro sy ho tia ny gidro ; tokony hanankambo amin’ny fananana izany harena miavaka izany ny tsirairay hoentina hampandrosoana ny firenena.

R.Mathieu

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique